11 juin 2016

Ho velomina indray ity bilaogy ity fa tafaverina aty, nijanona valo tao an-tanindrazana, niverina key taty tamin'ny taona 2010 fa telo volana fotsiny tamin'izay, dia izao hiasa aty indray, malahelo an'iarivo saingy fitadiavana no mampiala tany e !

Manuia ! Fanahy iniana ny labiera "Hinano ambrée"no natao nazava !


14 janvier 2009

Nody aty Dago

Dia nandao an’i Tahiti izay nipetrahana nandritry ny 6 taona tokoa izahay tamin’ny faha 21-n’ny volana Aogositra hamonjy an’i Dago Malala  izay nilaozana nandritry ny 8 taona … Ampy kosa izay. Betsaka ny zavatra nitranga teo anelanelan’izay :

04 au 06 Août 2008 - Bora Bora

Nanaovan’ny mpiara-miasa tao amin’i Air Tahiti Nui lanonana fanaovam-beloma “surprise” aho ary tamin’izay dia nahazo fanomezana tamin’ny dry zareo izahay, séjour any Bora Bora, hafaliana be tsy misy ohatr’izany, raha tsindrinao ity sary eto ambony dia hitanao ny raki-tsary momba izay.

17 AOGOSITRA 2008 - Gasy tany @ Lala sy Léon (Paea)

Teto ambony indray, fety fanaovam-beloma natao tany Paea niaraka tamin’ny Malagasy namana rahatra tany. Tsindrio ihany koa ny sary raha te-hahita ny ambiny …

21 Août 2008 - On quitte Tahiti après six années

Dia ity ambony izany ny fialanay avy ao amin’ny seranam’piramanidin’i Faa’a. Somary nalahelo ihany fa sady faly ny hody aty Dago …

Mbola hitohy ny bilaogy na izany na tsy izany …

05 juin 2008

C'était le 24 juin 1995 vers 16 heures ...
Il se reconnaitra, ce gagnant de la Star'ac (ou plutôt Pazzapa) avant l'heure !

30 mars 2008


Izy roalahy, Sombiniaiko sy Tsangy,manala azy, 'zany ny look "rappeurs" e !

Posted by Picasa

19 mars 2008

Ireto indray ny aty am-piasana, ny fiaramanidinay ireo vodina Airbus 340-300 ireto, ary izahay miasa any amin'ny seranana ireo, ny vahiné dia tsara tarehy (hoanin'i rafotsy eo aho) ...
Amin'ny sary izany dia mora fantatra aho fa ilay fohy indrindra (hividy kiraro avo aho amin'ny manaraka !!!)


16 août 2007


Efa mitombo ity faralahy, Tsangy no anarany, ity misy sariny iray mihinana goûter sy sarimihetsika fohy iray (asio feony rehefa mandefa azy). Raha "saccadé" ny sarimihetsika, indrindra any Dago satria ambany ny fikorinan'i internet (débit) dia alefaso indray mandeha aloha (mety ho elaela) mba ho voatahiry (mémoire cache), dia alefaso fanindroany indray.

15 août 2007




Ela be mihitsy an ! Izao indray vao malalaka fa be ierehana (ny ankizy, ny asa, sns ...) Ny vaovao dia lasa nody any Toulon ry Holy sy Dominique Grosset mianakavy, tsy tiany hono ny miaraka aminay.
Indreto sary teny an-tseranam-piaramanidin'i Faa'a tamin'ny 5 aogositra farany teo.

Miresaka fiaramanidina ihany, misy vaovao mampalahelo ity, nisy lozam-piaramanidina taty Tahiti tamin'ny alakamisy 9 aogositra teo, zotra mampitohy an'i Moorea sy Tahiti, 7 minitra ny zotra raha ny tokony ho izy fa akaiky kely Moorea, saingy vao niainga dia nianjera tanaty ranomasina, maty avokoa ny olona roapolo tao anatiny. Mbola eo am-panaovana famotorana ny manam-pahefana.


Farany, ity ambany misy ampahana sarimihetsika kely tamin'izahay mivady mbola mpianatr'i INTH tany Dago ka nanao "voyage d'etudes" tany Morondava tamin'ny febroary 1993. Ny tianay aseho dia misy olona iray fantatsika Malagasy tsara taty tahiti taloha (f'efa nody any frantsa tamin'ny Jiona 2005) ka sendra voaray sary teo tamin'izany ! Tena mahavariana fa jereo tsara e !