16 août 2007


Efa mitombo ity faralahy, Tsangy no anarany, ity misy sariny iray mihinana goûter sy sarimihetsika fohy iray (asio feony rehefa mandefa azy). Raha "saccadé" ny sarimihetsika, indrindra any Dago satria ambany ny fikorinan'i internet (débit) dia alefaso indray mandeha aloha (mety ho elaela) mba ho voatahiry (mémoire cache), dia alefaso fanindroany indray.

15 août 2007




Ela be mihitsy an ! Izao indray vao malalaka fa be ierehana (ny ankizy, ny asa, sns ...) Ny vaovao dia lasa nody any Toulon ry Holy sy Dominique Grosset mianakavy, tsy tiany hono ny miaraka aminay.
Indreto sary teny an-tseranam-piaramanidin'i Faa'a tamin'ny 5 aogositra farany teo.

Miresaka fiaramanidina ihany, misy vaovao mampalahelo ity, nisy lozam-piaramanidina taty Tahiti tamin'ny alakamisy 9 aogositra teo, zotra mampitohy an'i Moorea sy Tahiti, 7 minitra ny zotra raha ny tokony ho izy fa akaiky kely Moorea, saingy vao niainga dia nianjera tanaty ranomasina, maty avokoa ny olona roapolo tao anatiny. Mbola eo am-panaovana famotorana ny manam-pahefana.


Farany, ity ambany misy ampahana sarimihetsika kely tamin'izahay mivady mbola mpianatr'i INTH tany Dago ka nanao "voyage d'etudes" tany Morondava tamin'ny febroary 1993. Ny tianay aseho dia misy olona iray fantatsika Malagasy tsara taty tahiti taloha (f'efa nody any frantsa tamin'ny Jiona 2005) ka sendra voaray sary teo tamin'izany ! Tena mahavariana fa jereo tsara e !