21 octobre 2006

Ho avy ny fety ...

Miarahaba anareo mpitsidika an'ity bilaogany ity.    Dia inona indray no hatao ? Fety Lavitry ny tanàna ka manimanina ...

Ny eritreritray dia miaraka mikorana isika na amin'ny Krismasy na amin'ny taombaovao, ny hira gasy eo tsy lany ary ny tsaky hatao koa izay hahalafatra azy.

Hifanakalo fanomezana isika ohatra : alaina daholo ny anaran'ny mpandray anjara dia manao atsapaka isika ka izay anarana azo eo no omena fanomezana, mba tsy ho lafo loatra dia ho ferantsika tsy mihaotra ny 1000 CFP (na 500 CFP, izay hifanarahana) isaky ny fanomezana.

(Oay ! Ity sary kely aloha dia i Sombiniaiko (zanakay) tamin'ny volana janoary 2004 tao amin'ny "Place TO'ATA")

Izay fa mandra-pibilaogy e ...

 

Bonjour à tous

Les fêtes de fin d'année approchent et on ne sait que faire ...

Nous proposons à Nöel ou à la St Sylvestre un échange de cadeaux et les festivités associées. Chaque participant tirera au sort la personne à qui il fera un cadeau. Pour éviter les dépenses élevées, le cadeau de dépassera pas un plafond que nous déterminerons (1000 CFP ou 500 CFP ?).

(La photo est celle de notre ch'ti Sombiniaiko en Janvier 2004 à TO'ATA)

Bon, allez et à la prochaine bloggerie ...

14 juillet 2006

Efa elabe isika no tsy tafaraka samy teratany malagasy (sy ny fianakaviany ary ny namany). Ny farany dia tamin'ny tsingerintaona nahaterahan'i Roger tamin'ny 08 aprily teo (jereo ireo sary) ! Rahoviana indray e ! Ny olana dia tsy misy fikambanana ahafahana manao lamina mitombona tsara toy ny an'ny AGOI (Amicale des gens de l'Océan Indien). Tsara hatao anton-dresaka e ! Sady ahafahana mifankahafantatra amin'nt Malagasy hafa e !

Bonjour et mea culpa pour les francophones ! Je disais donc : cela fait longtemps que nous ne sommes pas croisés, la dernière fois c'était lors de l'anniversaire de Roger en avril 2006 (voir photos). On devrait penser à une structure afin de ne pas être tributaire de l'AGOI ! A voir ...
 Posted by Picasa
Havana Malagasy nanao vakansy kely taty Tahiti, manondidina azy misy "Vahiné" (vehivavy) sy "Tané" (lehilay).
Manja ny olona aty ary mitovitivy amin'ny Malagasy ihany Posted by Picasa