13 novembre 2005


Vaipopoo - 22/10/2005 Posted by Picasa

Vaipopoo - 22/10/2005 Posted by Picasa
Isika aty moa dia vitsy dia vitsy, efapolo eo ho eo raha isaina ny ankizy, ka tsara raha mihaona matetika e ! Mba tsy hanadinoina ny tenintsika sy ny tanindrazantsika tsaratarehy.

Mbola havaozina ity Bolongany ity ary ny sitrapo dia ny ahasokatra takelaka mihitsy aza saingy aleo hilamina dia hisesy hoy isika.

Ny fandaharantsika aty Tahiti dia mbola tsy tena maty paika :
  • Ny efa vita dia tamin'ny 22 oktobra tao amin'ny kianja filalaovan'i Vaipopo.
  • Amin'ny faha 19 novambra indray dia karaoké Malagasy no nomanina.

Aza adino koa ny fihetsiketsehan'ny AGOI (Amicale des Gens de l'Océan Indien). Toy izaho ny fandaharany :
Efa vita tamin'ny 30 oktobra : excursion dans la Vallée de Papenoo, nahafinaritra be, nahafahanay nifankahafantatra tamin'ny Malagasy hafa sy vazaha zanatany tany amintsika.
  • 17 desambra : fèt' caf' et Noël des enfants
  • 05 febroary 2006 : pique nique crèpes
  • 26 marsa 2006 : découverte de la cuisine créole
  • 20 may 2006 : soirée gala de l'amicale


Afaka manampy tsikera amin'ity Bolongany ity ianao, tsindrio ilay hoe "comments" eto ambany dia sorato ny tsikeranao

Dia misaotra anareo e !

Ny mpandrindra

Alain RAKOTOARSON