14 janvier 2009

Nody aty Dago

Dia nandao an’i Tahiti izay nipetrahana nandritry ny 6 taona tokoa izahay tamin’ny faha 21-n’ny volana Aogositra hamonjy an’i Dago Malala  izay nilaozana nandritry ny 8 taona … Ampy kosa izay. Betsaka ny zavatra nitranga teo anelanelan’izay :

04 au 06 Août 2008 - Bora Bora

Nanaovan’ny mpiara-miasa tao amin’i Air Tahiti Nui lanonana fanaovam-beloma “surprise” aho ary tamin’izay dia nahazo fanomezana tamin’ny dry zareo izahay, séjour any Bora Bora, hafaliana be tsy misy ohatr’izany, raha tsindrinao ity sary eto ambony dia hitanao ny raki-tsary momba izay.

17 AOGOSITRA 2008 - Gasy tany @ Lala sy Léon (Paea)

Teto ambony indray, fety fanaovam-beloma natao tany Paea niaraka tamin’ny Malagasy namana rahatra tany. Tsindrio ihany koa ny sary raha te-hahita ny ambiny …

21 Août 2008 - On quitte Tahiti après six années

Dia ity ambony izany ny fialanay avy ao amin’ny seranam’piramanidin’i Faa’a. Somary nalahelo ihany fa sady faly ny hody aty Dago …

Mbola hitohy ny bilaogy na izany na tsy izany …

1 commentaire:

  1. sambatra be nareo niverina any dago, zahay zao aty malahelo anareo sy ny tanindrazana malalanay mihitsy...sady tsy nahita an'ny tahiti akory za!!snif snif!!

    RépondreSupprimer